ActualitésTsidika

Ny tena olan’ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo

Raha nangingina ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana nataon’ny mpianatra teo aloha teo, efa niverina indray izany amin’izao fotoana ary nanokatra azy ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Vao tsy ela koa anefa, nanantanteraka fitokonana mikasika ny karamany ireo mpampianatra sy mpandraharaha amin’ireo oniversitem-panjakana eto Madagasikara. Nivaha amin’ny ampahana iny olana karama iny ho an’ny sasany fa kosa mbola mitohy ho an’ireo ambiny izay mbola tsy nahazo valiny.

Samy naneho ny heviny ireo mpanara-baovao sy ireo mpianatra leo ny korontana lavareny sy fitokonana eny amin’ny anjerimanontolo. Nisy tamin’izy ireo no nilaza fa « tokony foananan’ny fanjakana any ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra fa kosa ny saram-pidirana eny amin’ny anjerimanontolo no atao maimaim-poana ». Tsy vitsy ireo tsy nankasitraka izay hevitra izay ary nilaza mihitsy fa «  tsy azo foanana io fa tena ilain’ny mpianatra hamenoany ny banga amin’ny fiatrehany ny fianarany izay tsy fenon’ny ray aman-dreny ».

Tsy ny resaka fianarana sy vatsim-pianarana ihany koa anefa no misedra olana, fa eo ihany koa ny resaka trano fonenan’ireo mpianatra izay efa zary lasa fonenan’ireo nahavita fianarana. Naneho ny heviny ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny anjerimanontolo fa «  tokony tanterahina araka izay haingana ny fanadiovana ny tranon’ny mpianatra fa manjary toerana fitobian’ireo nahavita fianarana tsy misy aleha na tsy te hody sy toerana fitadiavam-bola ny ankamaroan’izy ireny ankehitriny ka ireo izahay tokony hisitraka izany indray no voatery manofa ».

Efa taona maro izay no niandrandra ny fivahan’ity olana resaka vatsim-pianarana sy tranon’ny mpianatra ity ireo mpisehatra rehetra amin’izany saingy mbola tsy nisy hatreto. Maro ireo tolo-kevitra efa nandeha ka manantena vahaolana maharitra ireo mpianatra sy ray aman-dreny ary mpandraharaha eny anivon’ny anjerimanontolo ankehitriny.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire