Tagnamaro : Kolotsain’ny fifanampiana sy ny fanomezan-tanana.
Antsoina hoe tagnamaro ny famohazana ny fifanampiana sy fikoloana ny fananana iombonana. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Andro iray ao anatin’ny iray voloana no hanaovana izany. Natao izy io mba hifanampiana sy hanomezan-tanana. Tanjona ny hampiova endrika ny Tanana ho tsara kokoa. Afaka manatanteraka izany avokoa ny olom-pirenena rehetra. Anisan’izany ny eny amin’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina isan-karazany. Mitaona ny olom-pirenena tsirairay hitandro ny foto-drafitr’asa mipetraka ny hetsika tahaka izany. Eo ihany koa ny tokony hanaovana laharam-pahamehana ny fahadiovana. Anisan’izany ity notontosain’ny minisitera tetsy amin’ny toeram-piasany eny Nanisana ity. Niavaka tamin’ny nahazatra hatrizay ity tetikasa antsoina hoe kolo voary ity. Tetikasa misehatra manokana amin’ny fanamboarana fitoeram-pako izy io. Misy araka izany ny fampianarana ireo izay nanatrika teo ny amin’ny hanavahana ireo karazam-pako. Mbola ampahany ao anatin’ny tetikasa kolo voary ihany ity fanavahana ny fako ity. Mbola ao ny fanabezana amin’ny fihetsika andavanandro sy ny fampianarana amin’ny fahazaran-dratsy mba hambolena fahazarana vaovao. Tsy tokony hijanona ao amin’ny minisitera ihany izany fampianarana izany fa hantenaina ny fampianarana ny olom-pirenena ihany koa.
Fanilo Rarivoarilala
