Andro fahavaratra, mijaly ireo mpandeha an-tongotra.
Mampiaka-peo ireo mpandeha an-tongotra fa tsy mba raharahian’ny mpampiasa fiara mihitsy. Mitaraina ao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo fa manao fanahy iniana manapitika fotaka amin’izy ireo ny mpampiasa fiara. Voatonona manokana amin’izany ireo fiara tsy mataho-dalana. Feno lavaka avokoa ireo lalana rehetra eto Antananarivo. Misy koa ireo izay vao avy notapenana nefa vetivety ihany dia simba ka miteraka lavaka. Ao ihany koa ireo arabe izay somary misy rano miangona tsotra izao noho ny antony maro samy hafa toy ny fahatsetsenan’ny lalan-drano, fako, sns. Mandeha mafy ireo fiara izay mandalo. Tsy mahita na mieritreritra ny mahazo ireo mpandeha an-tongotra. Miteraka fahasorenana ho an’ireto farany izany. Ao mihitsy ireo izay voatery miverina mody any an-trano hisolo akanjo fa nipitihan’ny fotaka. Ny fifampitsinjovana hatrany no vahaolana. Mila mandeha mora ireo fiara rehefa avy ny orana na erika. Sady manena ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana izany no mampirindra ny fiarahamonin’ny mpampiasa lalana.
Dinah Razanajatovo
