Espagne : Iza moa i Tokyo ?
Ny horonantsary Casa de Papel no nahafantaran’ny maro an’i Tokyo. Úrsula Corberó Delgado no tena anarany ary teraka ny 11 aogositra 1989 tao Sant Pere de Vilamajor ao Barcelone izy. Mpilatro ary mpilalao horonantsary ny tenany. Ny taona 2008 izy no nilalao horonantsary voalohany, izay nilalaovany an’i Ruth Gómez tao amin’ny horonantsary mitohy hoe « Physique ou Chimie ».Tamin’ny taona 2017 izy no nahazo ny toeran’ny mpilalao fototra tamin’ny horonantsary Casa de Papel izay nahazoana loka maro toy ny « prix Feroz » sy ny MIM noho toeran’ny mpilalao fototra nahay nilalao indrindra.
