Chine : Nisehoana zavatra hafakely teny amin’ny lanitra tao Shenyang
Renivohim-paritan’i Liaoning ao avaratra atsinanan’i Chine i Shenyang. Nisehoana toe-javatra hafakely teny amin’ny lanitra tao an-toerana ny 8 septambra teo. Nisy ampahana hazavana nampitohy ny lanitra sy ny tany raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso izany. Niparitaka tao amin’ny tamba-jotra sosialy ity tranga ity ka samy naneho ny heviny ny rehetra, hoe vavahady « dimensionnel » ity tazana ity, teo ihany koa ireo nino fa fanafihana « extraterrestre » izany. Tsy afaka nazavaina ho toe-javatra voajanahary izy ity raha ny fanazavana noho ny tsy fisiana horam-baratra na tafio-drivotra niaraka taminy.
