Tatitra

Nouvelle-Zélande : Renim-pianakaviana voarohirohy ho namono ny zanany vavy telo

Voarohirohy namono ny zanany vavy telo tao an-tranony ao Timaru ny 16 septambra teo ity renim-pianakaviana 40 taona, mpitsabo antsoina hoe Lauren Dickason ity. Nosamborina noho ny famoana ny zanany kambana roa vavy 2 taona sy vavikely iray 6 taona ny tenany. Ny raim-pianakaviana avy niasa tamin’ny 10 ora alina kosa no nahita ny faty ary niantso vonjy tamin’ny manodidina. Ireto farany izany nilaza fa nahare tabataba sy kikiaka fotoana fohy tao alohan’ny nahatongavan’ny rain’izy telo vavy.Nilaza kosa ireo olona mahafantatra azy ireo fa fianakaviana sambatra izy dimy mianaka ary tena tia ny zanany. Nonina tao Afrique du Sud izy ireo alohan’ny nahatongavany tao Nouvelle-Zélande, ary tao amin’ny tamba-jotra sosialin’ity ramatoa ity nonahitana fa hanorina fiainana vaovao no anton’io fifindrana io.Tao ihany koa nefa no nahitana fa efa notsaboina ara-tsaina noho ny fikorontanana ara-tsaina (depression) ity mpitsabo ity. Ny ampitson’ny tranga ihany dia nentina teo amin’ny fitsarana ny tenany ary tsy niteny tsy nivolana ka nampidiran’ny mpitsara tao amin’ny toerana ho an’ny marary saina hatramin’ny fitsarana azy amin’ny 5 oktobra indray.

Laisser un commentaire