Australie : Nisehoana horohoron-tany tamin’ny tanjaka 5,9 tao Melbourne
Ny alarobia teo 9 ora maraina no niseho tao atsimo atsinanan’i Australie ity horohoron-tany nahery vaika ity. Marihina fa tsy miseho raha tsy isaky ny 10 na 20 taona eo ny horohoron-tany amin’ny tanjany avo toy izao ao an-toerana. Tamin’ny taona 2012 no nitrangan’izany farany hoy i Mike Sandiford, « géologue » ao amin’ny oniversiten’i Melbourne.Mbola nandrenesa horohoron-tany tamin’ny tanjaka 4 amin’ny mari-drefy Richter ihany koa fotoana fohy tao aorian’io fihetsehina voalohany io, raha ny fanazavana. Nihorohoro ireo mponina tao an-toerana ka maro be ireo niala ny tranony avy hatrany. Tsy nisy kosa ny aina nahafoy hoy ny praiminisitra Scott Morrison.
