MMA : Tsy mifidy taona ny taranja
Tahaka ireo haiady samihafa toy ny judo sy ny karate dia mbola kely ny ankizy dia efa azo ampikatrohana ny MMA. Tsy misy ny fameran-taona amin’izany saingy miankina amin’ny hetahetan’ny ankizy ihany no hikatrohany na tsia ny taranja.
Ankoatran’ny maha fanahatanjahantena ny MMA mantsy dia fampianarana mahatoky tena, mifehi-tena, miaro tena ary ho salama lalandava ihany koa izy. Eo amin’ny fahadimy taonany eo ny ray aman-dreny no mandefa ny zanany mikatroka ny haiady amin’ny amin’ny ankapobeny, tsy vofaritra kosa izany amin’ny taranja MMA. Manomboka eo amin’ny fahavalo taonany kosa ny ankizy no mahazo mikatroka ny Boxe Anglaise na Muay Thaï.
Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana kosa dia miditra eo amin’ny adolatsento ny ankizy no tena satria hampikatrohana ny fifaninana MMA. Amin’izao fotoana izay mantsy no manomboka na hary tanteraka ny vatany.
