Etats-Unis : Kataluna Enriquez, « transgenre » voalohany tafiditra tamin’ny fifaninanana « Miss USA »
« Transgenre » izany hoe lehilahy nivadika ho vehivavy i Kataluna Enriquez. Teraka ny taona 1994 na 1995 taona Angeles City, Pampanga tao Philippines izy ary manana ny zom-pirenena amerikanina. Efa tompondakan’ny fifaninanana hatsaran-tarehy tao Amérique ny tenany, mpitantana eo amin’ny sehatrin’ny fahasalamana, mpamorona lamaody ary manana ny marikany manokana.
Tamin’ny volana martsa 2021 dia lany « Miss Silver State USA » ary voafidy « Miss Nevada USA » tamin’ny 27 jona 2021. Ireo amboara ireo nahafahan’i Kataluna Enriquez nandray anjara tamin’ny fifaninanana « Miss USA 2021 » ary nahalasa azy ho « transgenre » voalohany tafiditra tamin’ny fifaninanana.
