ActualitésTsidika

15 jona: Andro maneran-tany amin’ny fanentanana amin’ny fanoherana ny fanaovan-tsinotsinona ny zokiolona

Zava-misy mihitsy, na eto Madagasikara sy any ivelany, ny fanaovana tsinotsinona ny be antitra noho izy ireo efa marefo sy tsy mahavita na inona na inona intsony. Ny 15 jona araka izany ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fanentanana ny manodidina izay fanaovan-tsinotsinona ny be antitra izay. Ny Firenena mikambana no nanendry ny daty mba hanentsehana ny amin’ny zon’izy ireny sy ny fahasalamany ary ity andro anio ity no hifantohana bebe kokoa ny amin’io olana io. Ny fiaraha-monina ny manodidina ireny olona ireny no tena entanina amin’izany mba haneho fanajana azy ireny hatrany. Misy ireo ratsana maro maneran-tany mikarakara hetsika isak’io daty io mba hanomezan-danja ireo be antitra atosikin’ny fiarahamonina sy atao tsinotsinona. 

Laisser un commentaire