SocialTsidika

Alasora : Manohy hatrany ny fiambenana amin’ny alina ireo vatan-dehilahy

Mitohy, ary tsy hijanona raha tsy mandry fahalemana ny tany, ny fanaraha-maso ataon’ireo vatan-dehilahy ao Alasora, indrindra ny ao amin’ny Fokontany Miadana, faritra Idoho sy Antanety. Etsy an-kilany, miezaka mametraka ny filaminana ihany koa ny mpitandro filaminana any an-toerana, saingy vitsy an’isa ka tsy mahasehaka ny Kaominina rehetra, hany ka tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra ny Fokonolona ao an-tanàna manerana ny Fokontany rehetra.

« Manatanteraka ny andraikitra napetraka taminay hatrany izahay ho fiarovana ny tanàna eto amin’ny Fokontany Miadana mba hisian’ny fandrosoana hatrany » hoy i Johnny, mpitarika ny andrimasom-pokonolona sy ny vaomeran’ny fandriam-pahalemana. « Efa misy ny lamina napetraka raha sanatria tonga ny jiolahy ary hihaza ireny tsy hamerina ny asa ratsiny intsony no tena antony nanasiana ny andrimasom-pokonolona » hoy ny sefom-pokontany ao Miadana Alasora. « Rehefa tiana handroso ny firenena iray dia ny fandriam-pahelamana no tena tokony ho apetraka voalohany ahafahan’ny mponina miaina sy mihary am-pilaminana » hoy i Tamby, mpanidinika manokana mikasika ny fampandrosoana maharitra.

Tsapa tato ho ato fa maro ny tranga tsy fandriam-pahalemana ao Alasora, izay nampiaina ny mponina tao anatin’ny tahotra sy ny tebiteby. Hamaha ny olana ve ny ezaka tahaka izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire