Anosy avaratra : Tafapetraka ny « Plaque de délimitation » an’ny kaominina roa tonta
Tafapetraka ny takelaka manasaraka ny kaominina Anosy Avaratra, amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Nisy ny lanonana nentina nitokana izany, natrehan’ireo olom-panjakana avy amin’ny distrika avaradrano sy solombavambahoaka, araka ny voalaza.
« Tafapetraka soa amantsara ny plaque de délimitation an’ny kaominina Anosy Avaratra. Hantenaina fa hitondra ny kaominina ho amin’ny fampandrosoana hatrany ny fametrahana ny faritry ny kaominina izao » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
« Zava-dehibe tokoa ny fametrahana ny takelam-pamantarana izao. Maro ireo vahiny, mpitsidika mety tsy mahafantatra ny kaominina ka tena manampy be ny fametrahana izany. anisan’ny mitondra laza no fampafantarana ny kaominina izao ka mety hampiroborobo ny fizahan-tany » hoy i Shalomé, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Zava-dehibe ho an’ny kaominina roa tonta ny fisian’ity takelaka mampisaraka ity. Ny kaominina Anosy Avaratra moa dia mifanakaiky amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ka izao no famantarana sy mampizara ny kaominina roa tonta.
