Etats-Unis : Vola 58 000 dollars tokony ho an’ny fanampiana tamin’ny covid-19, nividianana « carte Pokémon »
Tena mankafia “carte Pokémon” i Vinath Oudomsine. Monina ao Géorgie izy ary namorona taratasy sandoka mba ahazoana fanampiana tamin’ny covid-19 izy, fanampiana avy amin’ny governemanta izay omena ireo orinasa sahirana noho ny valan’aretina.Nahazo fanampiana 58 000 dollars (232 tapitrisa Ar) izy, ka nividianany « carte Pokémon » ny 57 789 dollars rehefa nahazo izany. Tratran’ireo manam-pahefana federaly nefa io fitaka nataon’i Vinath Oudomsine io ary voaheloka ho nanao « fraude électronique » ny tenany. Mety mahatratra hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina sy honitra 250 000 dollars (1 000 tapitrisa Ar) ny saziny raha ny fanazavana.
