ActualitésTatitra

France : Manampy orinasa maro ny « 60 000 Rebonds »

Fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo manampy ireo mpandraharaha banky sahirana mba hamelona indray ny tetikasany ny « 60 000 Rebonds ». niorina tamin’ny taona 2012 izy. Manamarika ny isan’ny orinasa banky ropotra isan-taona ao France io isa 60 000 io raha ny fanazavana.Manome tolotra fanohanana manokana ny « 60 000 Rebonds », nanampy amin’ny « traumatisme » manokana, ara-kasa ary ara-bola izy mba hamerenana ny fahombiazany sy tanjaky ny traikefa efa azo. Ireo mantsy no dobo ahafahana mandranto ny famelomana ny toekarena indray raha ny fanazavana.Hampivoaratra ny fomba fijery ny tsy fahombiazana (échec) no fanamby napetraky ny « 60 000 Rebonds ». « Tsy midika tsy fahaizana ny tsy fahombiazana, tsy faran’ny fandraharahana izy fa loharam-pahalalana sy loharano tokony hohadiana » hoy i Philippe Rambaud mpamorona io fikambanana io.

Laisser un commentaire