Alatsinain’ny Paska : Tomefy olona ny toerana fitsangatsangana teto Antananarivo
Feno olona avokoa izay toerana aleha raha ho tety an-drenivohitra nandritra ny alatsinain’ny Paka teo iny. Fotoana iarahan’ny ankohonana rehetra mikorana, mitafatafa sy manao fety iny fotoana iny. Betsaka ireo nanapa-kevitra ny hamonjy ireo valan-java-boaary , toy ny teny Tsimbazaza. « Tsy afaka mandeha lavitra be fa maro anaka dia eto no mba akaiky. Rehefa mivoaka miaraka fotsiny dia izay no zava-dehibe. Fotoana hanararaotana hiarahana mikorana amin’ny mpiray tampo izao ,eny na dia amin’ny olon-kafa koa ary », hoy i Josephine, renim-pianakavina.
Nanararaotra tamin’ny fisokafan’ny zaridaina eny Anosy koa ny ankamaroan’ny olona. Anisan’ny toerana nahitana olona betsaka ihany koa mantsy iny toerana iny nandritra ny alatsinain’ny Paka. Betsaka ny kilalao hita teny ka izany no nentin’ireo Ray amn-dreny nampifaliany ireo zanany. « Faly ny ankizy, ary tena niala sasatra tokoa. Sahirana ihany nitady izay mety hahasoa ireo ankizy ireo satria tsikaritra fa maro loatra ny olona mifamezivezy ka natahotra ihany amin’ny fitondrana zaza. », hoy i Aina, renim-pianakavina.
Samy nananana ny fomba nanantanterahana izany moa ny olona tsirairay, tao ireo nivoaka ny renivohitra mihitsy, tao koa ireo niaraka namonjy fampisehoana teny amin’ny toerana natokana izany. Na dia teo arany izany fety izany, dia nandray andraikitra hatrany ireo mpitandro filaminana mba hisorohana ny loza mety hiseho. Misy manko ny olona sasany no mandray alikaola be loatra ka mety hiteraka lozam-pifamoivoizana izany raha tsy misy ny fanaraha-maso nataon’ny mpitandro filaminana.
Erwan RAN
