Taranja “Fanabeazana ho olom-pirenena vanona”: Inona avy ireo handrasana amin’izany fandaharam-pibeazana izany?
Ny taranja Fanabeazana ho olom-pirenena vanona na « Education à la citoyenneté » dia mitaiza sy manabe ny mpianatra mba hananan’izy ireo fitondran-tena mendrika ka haneho fanajana ny tena, hikolokolo ny vatana mba ho vanona ara-pahasalamana, hadio lalandava, ary hiaro tena amin’ny loza isan-karazany.
Mba hahay hifandray amin’ny hafa, ka haneho eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahalalam-pomba, ny fanajana ny hafa, ny fifanajana, ny fifampitsimbinana, ny fandavana ny fanilikilihana ary ny fifadiana ny fanaovana herisetra. Ao ihany koa ny fanabeazana ireo mpianatra mba hanaja ny soa iombonana, ny tontolo manodidina ary hikolo sy hiaro ny tontolo iainana ; mba haneho ny fitiavan-tanindrazana, hanaja ny lalàna velona (ny ady amin’ny kolikoly na ny endrika hafa isehoan’ny tsy fanarahan-dalàna…), hahalala sy hisitraka ny zony ay handray ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena eo amin’ny fanompoana ny Tanindrazana.
Tsara ny fisian’izany taranja izany eny anivon’ireo sekoly noho izy dieny any amin’ny ambaratonga fototra dia efa manabe sahady ireo ankizy ho tonga olom-pirenena vanona.
Sitraka Rajaonarivony
