Ambohimanambola: Tsy mbola niverina amin’ny laoniny ny famatsiana rano
Taorian’ny zava-nitranga mahakasika ny famindrana ny fitantanana ny rano an’ny Service Eau ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, dia tsy mbola niverina amin’ny tokony ho izy ny famatsiana rano amin’ny izao fotoana izao, amin’ny fokontany maro ao an-toerana.
“Ny kaominina no hitantana sy handray ny foto-drafitr’asa fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina ao anatin’ny fotoana voafetra. Ao anatin’izany dia misy ny fanadiovana sy fanamboarana izay iarahana amin’ireo teknisianina rehetra entina hampandehanana ny rano,izay tsy maintsy atao eo ampiandrasana ny mpitantana vaovao mahavita sy afaka mamaly ny filàn’ny mponina” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tena tsy rariny ihany aloha ilay zava-misy satria tsy araka ny fotoana nifanomezana ny famerenana ny rano. Mijaly ny mponina sy ny mpanjifa ny rano satria nanomboka tamin’ny andro nahatapahan’ny rano no efa tsy nisy fampandrenesana, voatery nitady rano tany an-tany lavitra ny olona” hoy i Fanja, mponina ao Ambohimanambola.
Izao fanatsarana izao moa no natao dia mba hanaomezana fahafapo ho an’ny mpanjifa ny rano ao an-toerana. Raha ny voalazan’ny kaominina hatrany dia tsy hijanona ny fanatsarana raha tsy mahafapo ny vokatra azo ao anatin’izany.
Manitra R.
