SocialTatitra

Côte d’ivoire : Nitombo 9 sahady ny tranga Ebola avy amin’ny fifampikasohana

Nanambara trangana Ebola iray ahihiana sy tranga 9 avy amin’ny fifampikasohana ny OMS ny talata teo ankoatra ilay  iray efa voamarina ny faran’ny herin’andro teo tao Abidjan. Mbola tovovay io tranga iray ahihiana io raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny OMS.

Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’i Abidjan kosa ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina ireo amin’izao. Efa nanomboka ny alatsinainy teo kosa ny fanaovam-baksiny ireo mpiasan’ny fahasalamana misahana ity aretina ity.

Efa mametraka paik’ady hanaovana vaksiny ireo olona nifanerase’ra tamin’ireo marary kosa ny ao an-toerana. Efa miahiahy ny hatratran’ny isan’ny mitondra ny valan’aretina ho tafiakatra 2000 ao anatin’ny andro vitsivitsy kosa ministry ny fahasalamana ivoirien Pierre Demba noho ny efa nivezivezen’ilay tovovavy guinéenne nitondra ny tsimok’aretina tao an-toerana.

Laisser un commentaire