La Teinturerie : hiakatra an-tsehatra ny tarika No Mady
Ny sabotsy ho avy izao no hanao fampisehoana ao amin’ny LaTeinturerie i No Mady.
Mpiangaly ny mozika « rock » moa ity tarika No Mady ity izay ahitana vehivavy 3 mandrafitra izany ka i Stéphanie Razakaratrimo eoamin’ny fihirna sy fitendrena gitara, Miora Rabarisoa eo amin’ny amponga maro anaka ary Tasha Randrianarilalaina eo amin’ny gitara basse. Ity tarika ity dia mampifangaro ny « rock grunge » sy ny « rock alternatif », ny hiran’izy ireo izay miresaka ny fiainana andavanandro toy ny Kamolahy sy ny kenona fa miresaka fitiavana koa izy ireo toy ny aveleo, « Need to » na koa ny »Fitiavam-b ».
Nilaza moa izy telo vavy fa fampisehoana iray tena hotsara indrindra io amin’ny sabotsy io ary hanome ny fahafaham-pon’ny mpankafy no tena ataon’izy telo vavy amin’io ka manentana ny rehetra ho avy ao amin’ny La Teinturerie. Ny tompon’andraikitra ao amin’ny La Teinteurerie etsy Ampasanimalo kosa nilaza fa ho tsara ny fandraisana ireo mpijery ity seho ity amin’io sabotsy 21 aogositra ho avy izao ity ary nilaza izy fa efa eny an-toerana ny zava-pisotro isan-karazany ary tsy adino ny fepetra sakana rehetra eny na dia amin’izao hetsika ara-kanto izao.
Ho fanandratana ny talenta malagasy indrindra ny vehivavy malagasy misehatra amin’ny mozika rock no tena anton’ity fampisehoana ity ka hentanina ireo izay mpankafy mozika rock ho avy amin’ity fampisehoana ity.
Anja Raharimalala
