Alasora: Nanatanteraka fitokonana noho ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina
Nidina andalambe, nanatanteraka fitokonana tao Androka, kaominana Alasora ny mponina ao an-toerana, ny sabotsy teo. Naneho ny tsy hafaliana sy nanaitra ireo tomponandraikitra izy ireo manoloana ny tsy rariny vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny niseho tato ho ato.
« Ity fahatapahan-jiro lavareny ity dia miteraka fatianatoka goavana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany ato anatin’ny kaominina. Mampirongatra ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana ka nahatonga ny mponina hihetsika, hanao fitokonana, sy haneho hevitra » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
« Tena efa tsy rariny intsony ny fahatapahan-jiro ity ary misy akony mivantana amin’ny fidiram-bola sy ny fitadiavana isan’andro. Simba avokoa ny entana rehetra. Lasa zary fahazarana ho an’ny orinasa ilay tapaka jiro kanefa marary amin’ny vahoaka ny miaina ilay izy isan’andro » hoy i Liva, tompona toeram-pivarotana trondro.
Nitady firaisan-kina hitakiana ny tsy rariny manoloana izao fahatapahan-jiro izao moa ny mponina ary niangavy ny hamahana izany olana izany haingana. Tonga ara-potoana teny an-toerana kosa ny avy amin’ny zandarimaria nandamina sy nampitony ny olona, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
