ActualitésTsidika

Talata Volonondry:  Nisy ny fanamboaran-dalana tao amin’ny fokontany Ambohimahavelona

Niroso tamin’ny fanamboarana ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohimahavelona ny ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny faran’ny herinandro teo. Fiaraha-mientana tamin’ny mponina no nentina nanatanterahana izany, araka ny voalaza.

« Nampifoha indray firaisan-kina sy ny fihavanana malagasy ny fanatanterahana ny asa tanamaro teto an-toerana,  izay narahana sakafo mitam-pihavanana. Hisaorana ireo mponina nahatontosa izany, niara-nientana sy nifanohana ho an’ny tombotsoa iombonana » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina.

« Efa ela no niandrasana ny asa fanamboarana ity lalana ity. Zava-dehibe ho anlny mponina ny fahavitan’izany. Rehefa vita ny lalana, misokatra avokoa manaraka izany ny asa fampandrosoana rehetra » hoy i Hanitra, mponina ao Talata Volonondry.

Niandahy niambavy ny fiaraha-mientana tamin’ny fanamboaran-dalana teto. Nandray anjara avokoa ny mponina rehetra teto an-toerana. Ankoatra azy ireo, nandray anjara nifanone tanana tamin’izany ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina.

Laisser un commentaire