Etats-Unis : Mangataka ny hanatsaharana ny ady ao Gaza ny filoha amerikana lefitra
Mangataka ny hanatsaharana ny ady faran’izay haingana eo amin’i Israely sy Hamas, ny filoha amerikana lefitra, Kamala Harris. Na dia efa ao anatin’ny fifampidinihana aza ireo firenena mikambana, mahakasika ity ady ity, dia mangataka ny hanatsaharana izany, ao anatin’ny enina herinandro manaraka ity filoha lefitra ity. Efa ao anatin’ny fijaliana sy fahaketrahana ara-tsaina ireo mponina ao Gaza ka tsy tokony hampitomboina intsony, hoy hatrany ity farany. Ankoatra izay, nanao fangatahana tamin’ny governemanta tarihin’ny praiministra Israelinina ihany koa ny tenany mba handray fepetra hahafahana mampitombo ny fanampiana ho an’i Gaza, izay tandindon-doza amin’ny hanoanana amin’izao fotoana, vokatry ny ady hatrany.
