SocialTatitra

Autriche : Renim-pianakaviana voaheloka higadra 20 taona noho ny fanaovana herisetra tamin’ny zanany

  Voasazy noho ny fampijaliana ny zanany ity renim-pianakaviana iray, 33 taona. Nomelohin’ny fitsarana Autrichien higadra 20 taona an-tranomaizina ny vehivavy iray ity izay nikasa ny hamono ny zanany lahy 12 taona. Nohidiany tao anatin’ireny fitoerana alika ireny ity zanany ity, ankoatra izay, nikasa ny hamono ahafaty ity zazalahy ity ihany koa ity vehivavy ity satria tsy nitsahatra ny nampijaly sy nanao herisetra tamin’ity zanany ity. Ankoatra ity reniny ity, dia mpiray tsikombakomba aminy iray hafa ihany koa no nahazo sazy higadra 14 taona an-tranomaizina, noho ny famporisihana sy fanekena ny fampijaliana natao tamin’ity ankizy ity, tamin’ny alalan’ny antso sy hafatra. Ny fitsarana any an-toerana moa dia nandidy ny fametrahana azy ireo ao amin’ny toerana fitsaboana mahakasika ny saina, mba hitiliana ny mety ho aretin-tsaina mahazo azy ireo. Etsy ankilany, simba tanteraka ity zaza ity, indrindra fa ny ara-moraly, tsy tomombana ihany koa ny fahasalamany vokatry ny heristra nianjady taminy.

Laisser un commentaire