Antananarivo madio no tanjona, ka tadidio.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana ny fahadiovana. Tompon’andraikitra amin’ny fandaminana ny fako sy misoroka amin’ny mety ho fiparitahany ny olom-pirenena tsirairay. Miainga amin’ny isam-batan’olona noho izany ny mety ho fahadiovan’ny tanana. Misy kosa anefa ny lamina apetrakin’ny fanjakana amin’izany mba hiarahantsika rehetra misitraka ny fahadiovana miaraka. Raha raisintsika ohatra ny eto Antananarivo Renivohitra, nankinina tanteraka amin’ny kaominina ny fitantanana ny fako sy ny fahadiovana raha ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny governemanta ny 23 febroary. Nofoanana araka izany ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo) ary nafindra any amin’ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) ireo fitaovana sy ireo mpiasa rehetra tao aminy. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra indray izany izao no tompon’andraikitra feno amin’ny fahadiovana ny tanana. Efa afa-po tokoa tamin’ny fahadiovana ve isika teto Antananarivo hatramin’izay ? Fanovana pai-kady no ilaina raha hita fa tsy nahomby ny teo aloha. Hanao ahoana ny mety ho fomba fiasan’ny Kaominina manomboka eto ? Azo antoka amin’izay ve izany ny ho fahadiovan’ny renivohitr’i Madagasikara ?
Nicole Rafalimananjato
