SocialTsidika

Miezaka manafoana ny kolikoly ao amin’ny Fokontany ny any Andranomanalina

Fokontany nanjakan’ny gaboraraka ny fokontany Andranomanalina Isotry teo aloha, nisy fiatraikany betsaka teo amin’ny fiainam-pokontany anefa izany. Ankehitriny, efa manomboka manatsara ny fomba fiasa ireo komity eo amin’ny Fokontany.

« Ny fialana amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly misy teto amin’ity fokontany ity izay nahitana lesoka be mihoa-papana » hoy i Andriatsitoara Fetra Panoel, filoham-pokontany. « Miainga any amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa toy ny fanomezana rosia ho an’ireo maka taratasy ilaina rehetra izay tsy mbola nisy hatramin’izay ary eo ihany koa ny fanadioavana ny tanàna » hoy ireo komity.

« Aleo hipetraka mihitsy ny mangarahara satria manjary ireo izay manam-bola sy manam-pahefana ihany no mahazo ny rariny sy karakaraina fatratra » hoy i Velosoa, mponina ao Andranomanalina. Marihina fa efa vita ny zoma 10 Septambra 2021 teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoham-pokontany vaovao sy ny teo aloha.

Miainga amin’ny fokontany toy izao ny fampajakana ny mangarahara izay tena iadian’ireo avy ao amin’ny antoko mpanohitra fatratra. Raha manjaka tokoa mantsy ny rariny ary foana ny kolikoly dia handroso hoazy i Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire