ActualitésTsidika

Fanolana-jaza tany amin’ny faritry Vakinakaratra, kaominina Ambohimandroso

Zazavavy 15 taona no niharan’ny fanolanana nataon’ny ray niteraka azy tany amin’ny kaominina Ambohimandroso faritra Vakinakaratra. Tsy vitan’ny nampihatra habibiana tamin’ny zanany vavy ity raim-pianakaviana fa sady nikasitanana azy ihany koa. Mametraka fitoriana teny amin’ny zandarimariam-pirenena tany amin’ny faritra Vakinakaratra ny fianakaviana niharan’ny fanararaotana ara-pananahana.

Tranga mateti-piseho indrindra aty Afrika ny fanolanan-jaza, maro an’isa amin’izy ireny ny zaza tsy ampy taona. raha ny zava-nisy, indrindra eto Madagasikara dia tsy ampy ny fampianarana atao amin’ny ankizy, indrindra mahakasika ny taovam-pananahana. Misy amin’izy ireny no mitondra vohoka vokatry ny fanolanana. Tsikaritra fa tsy ampy ny fahalalana ampitaina amin’ireo mpiantra, indrindra ny lafiny ara-pananahana. Raha ny marina tsy tokony hahamenatra ny miresaka izany eo amin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny fianakaviana.

« Efa fanaony matetika amiko izany, tsy sahiko notantaraina mihitsy satria kapohany hono aho raha mitantara izany amin’ny fianakaviana » hoy i Soa, zaza voaolana. « Tsy nahasahy ny hitory aho noho ny fandrahonana izay nataony tamiko fa ny anadahiko no tsy naharitra ka nitondra ny taratasy fitoriana teny amin’ny manam-pahefana » hoy i Lala, renin’ilay zaza voaolana. « Melohinay mpiaro ny zon’ny ankizy ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona. Fonja avy hatrany no miandry ireo nahavanon-doza, mety hisy ihany koa ny lamandy hefainy amin’ny fianakaviana » hoy i Fitia, tompon’andraikitra eo amin’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy. « Efa vita famotorana ilay rangahy nanao ny fanolanana ka eto am-piandrasana ny valin’ny fitsarana isika izao » hoy ny zandary any amin’ny faritra Vakinakaratra.

Raha ny tranga fanolan-jaza nisy hatramin’izay dia mpikambana ao antin’ny fianakaviana ihany no nahavanon-doza. Mety ho noho ny fifaneraserana matetika misy no mampitsiry ny fanirian-dratsy ka nahatonga ny fanolanana. Mila arahi-maso matetika ny zaza, indrindra ny zazavavy, mila hampahafantarina azy mialoha ny mety hiatombohan’ny fanolanana ahafahany manohitra izany. Tsy tokony avela irery miaraka amin’ny lehilahy ny zazavavy indrindra rehefa manomboka miditra amin’ny taonan’ny fahamaontinana izy.

Hiara-hientana isika rehetra hanohitra ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy.

Haingo Andriamihaja

Laisser un commentaire