ActualitésTsidika

Manomboka amin’ny fizarana ireo kojakoja fampiasa amin’ny entona fandrehitra

Vao tsy ela izay no nisy ny fifanaovan-tsoniam-piara-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola ary ny « Comité Malgache Du Butane » CMDB izay nentina hampiroboroboana ny fampiasana ny entona fandrehitra.

Marihina fa ho entina hanenana ny fampiasana ny arina fandrehitra sy ny fampiasana kitay izay isan’ny tena mandripaka ny ala ny fampiasana ny entona fandrehitra. « Anatin’izany fiaraha-miasa izany ny fitsinjarana ireo kojakoja izay ampiarahana amin’ny tavoahangy rehefa vao hanomboka hampiasa izany izay miisa 15 000 haparitaka manerana an’i Madagasikara » hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina.

« Ireo kojakoja ireo dia ahitana ny «consignation», ny fatapera, ny «brûleur». Tavoahangy 4 kg miisa 6 000 sy 9 kg miisa 9 000 no hotsinjaraina amin’ireo Faritra rehetra. Hisy ihany koa ny komity manokana misahana ny fanjohina ny fitsinjarana izany sy ny famahanana ny tavoahangy » hoy kosa i Rindra Rabarinirinarison, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

« Tena tsara ny hetsika tahaka izao mba hampihenana ny arina fandrehitra sy ny fanimbana ala eto Madagasikara ary hampiroborobo ny fampiasana angovo madio » hoy i Hery, mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo mandalina manokana ny tontolo iainana.

Efa manomboka ny fizarana ny kojakoja ankehitry ary amin’ny taona rehetra manaraka dia miankina amin’ny fivoaran’ny fanjifan’ny isan-tokantrano no hamaritana ny isan’ireo kojakoja haparitaka indray. Hampihena ny fandripahana ny ala tokoa ve izao hetsika izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire