ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo kaominina rahavavy tamin’ny fanalana ireo fako

Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny kaominina Talata Volonondry ary ny fikambanana Miotisoa, tamin’ny fanalana ireo fako mivangongo ao an-toerana. Ireo fako tao amin’ny fokontany Manjaka no nesorina tao anatin’izany, araka ny voalaza.

“Anisan’ny vahaolana mitondra amin’ny fahombiazana ny fahaizana mifanome tanana amin’ny hafa. Hisaorana ny kaominina rahavavy tamin’ny fifanampiana ka nahatontosana ny andraikitra amin’ny fanalana ireo fako teto amin’ny fokontany Manjaka Ilafy” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tsapa sy hita ihany ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanalana ireo fako eto an-tanàna. Hiaraha-mahita sy mahalala tokoa fa mitobaka izany tsy izy ny fako, saika hita amin’ny fokontany tena maro mponina, indrindra amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra sy faran’ny taona izao. tokony tohanana sy hampiana aza izy ireo amin’ny fanentanana ny mponina ao anatin’izany” hoy i Nary, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Miteraka olana ho an’ny mponina ny fivangoan’ny fako eny amin’ny fokontany. Ny fahataran’ny fakana azy ireny ihany koa dia anisan’ny manasarotra sy mampitarazoka ny fakana azy. Ilaina araka izany ny fanentanana sy fanitsiana ny fitantanana ny fako mba hialana amin’ny fimenomenomana sy ny fanakorontanana isan-karazany.

Laisser un commentaire