Ambohimangakely: Nahazo fanampiana ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ankadidambo
Nozaraina fitaovam-pianarana vaovao ireo ankizy mpianatra avy ao amin’ny EPP Ankadidambo, kaominina Ambohimangakely, ny alarobia teo. Tonga nanolotra izany teny i Rija Tahiana, izay nanolo-tena manokana hanolotra fanampiana ireo mpianatra, araka ny voalaza.
“Mahafaly ny mahita ireo ankizy faly nahazo ireo kahie vaovao, tsara tarehy. Ireo cahier rehetra azo dia avy amin’ny LinoPrint avokoa, izay vita Malagasy 100% ary tsara kalitao. Hantenaina fa hanampy ireo ankizy amin’ny fianarany ka ho tafita soa sy hahazo fahalalana izy ireo” hoy i Rija Tahiana.
“Zava-dehibe ho anay ray aman-dreny tokoa ny fanampiana tahaka izao. efa iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny vidim-piainana, ary nanano sarotra ny fampidirana mpianatra tamin’ity taona ity ka hisaorana ny mahalala tanana satria tena nahavonjy tokoa izany” hoy i Lalaina, renim-pianakaviana.
Maro amin’ireo ray amandrenin’ny mpianatra ao an-toerana tokoa no tsy mbola nahafeno ny isan’ny cahier ilaina, hianaran’ny zanany amin’ity taom-pianarana ity. Ny fampidirana ireo mpianatra no laharaham-pahemehana ho an’ireo ray aman-dreny, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
