SocialTsidika

Vary 8 300 taonina no ho tonga

Ho tonga ny 2 septambra ho avy izao ny vary milanja 8 300 taonina raha tsy misy ny sampona ary andro vitsy aorian’izay dia ho avy koa ny vary milanja 13 100 taonina. Izany no vahaolana hita hanenana sy ny hanamaivanana ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana.

« Izy ireo dia samy ho amidy amin’ny vidiny mirary avokoa hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka ary ihany koa hampidinanay vidim-bary » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny janjifana. « Maninona anefa raha ireo tantsaha mpamboly eto an-toerana aloha no vonjena sy tohanana tsara hamokatra betsaka fa tsy maika ny hanafatra » hoy i Velojaona, tantsaha.

« Izao ve no vahaolana hita ary hita fa mety ? tsy mahavaha ny olana eo amin’ny vidim-piainana akory, tsy ny vary anie no tsy misy eny an-tsena fa ny vola hividianana mihitsy no tsy misy satria ny asa aza tsy misy » hoy i Fanoela, mpahay toe-karena.

Mitsinjo mivantana ny vahoaka tokoa ve izao ? Firy amin’ireo vahoaka amin-tapitrisa no hisitraka izany ? Mandrapahoviana no hisitrahany izany ? Ny vary mantsy tsy maintsy hohanina isan’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire