Hihaona i Andry Rajoelina sy i Emmanuel Macron
Hisy ny fihaonana eo amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny filoham-pirenena Malagasy raha tsy misy ny fiovana amin’ny fandaharam-potoana mandritra izao dian’ny filoha any Fransta izao. Marihina fa hiatrika ny fihaonana amin’ny « Mouvement des Entreprises Français et le Patronat Français » na ny MEDEF ny 27 aogositra ho avy izao.
« Ho voaresaka amin’io fihaonana io ve ny momba ireo nosy manodidina na « iles éparses » izay takian’ny Malagasy ny hiverenany amin’i Madagasikara ? » hoy ny fanontaniana manitikitika ny maro. Inona marina no hifantohan’ny resaka mandritra io fihaonana io ? « Filoha samy niharan’ny tsy nety izy roa ireto satria ny iray nisy namelaka, ny ray saika nisy namono, ka tsy hitantara ny zava-nisy niainany nandritra izany avy izy ireo rehefa hihaona ? » hoy i Tsiry tao amain’ny tambajotran-tserasera.
Tetsy an-kilany anefa, nilaza ny tanora TGV iray fa « Voninahitra lehibe ho antsika Malagasy izany satria firifiry ny filoha Afrikanina maniry hihaona sy hifandray amin’i LaFrantsa noho izy efa mandroso ». Efa niara-niasa sy nisy fifandraisana foana i Madagasikara sy i France hatramin’izay, noho izy nanjanaka antsika ve ? Mety hiravona mandritra io tokoa ve ny disadisa eo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay manoloana an’ireo îles Eparses ?
Nicole Rafalimananjara
