ActualitésTsidika

Alasora: Vehivavy iray notondrahan’ny vadiny tamin’ny rano mangotraka, nahidritra am-ponja eny Tsiafahy ralehilahy

Trangam-piaraha-monina niseho teny amin’ny faritra Ankafy, fokontany sy kaominina Alasora, ny herinandro teo. Vehivavy iray no notondrahan’ny vadiny tamin’ny rano mangotraka rehefa mamo ilay lehilahy vadiny. Nifamaly izy ireo ka niafara tamin’izao fanondrahana rano mangotraka azy izao, araka ny voalaza.

« Tsy zakan’ilay ramatoa intsony ny nahazo azy ka tsy maintsy nitsoaka nanavotra aina sy niafina tao amin’ireo trano manodidina azy izy. Mamo ralehilahy ka nisy ny fifamaliana teo amin’izy ireo ka niafara tamin’izao fanondrahana rano mamay azy izao » hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria.

« May ny soroka, ny lamosin’ity ramatoa ity vokatr’io ka tsy maintsy nitsoaka izy. Ny sefo fokontany tao an-toerana no nandray fepetra niantso ny zandary. Rehefa tonga teny an-toerana nisambotra ity lehilahy anefa dia mbola nisandoka asa sy andraikitra, nilaza ho miaramila an’ny tafika mitondra ny galona adjudant major ary miasa amin’ny primatiora ny tenany » hoy hatrany ny fanazavana.

Amin’izao fotoana moa dia voatazona am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy ity ary miandry ny fitsarana azy.

Laisser un commentaire