SocialTatitra

Etats-Unis: Zatovo iray maty noho ny fihinanana chips masiaka loatra

Tovolahy 14 taona, amerikanina no nandray anjara tamin’ny fanaovana fanamby, fihinanana chips masika be ireny ka namoy ny ainy. Ny « autopsie » natao azy no nahafantarana izany. Nijanona tampoka ny fony, rehefa tsy nahalevina ireo akora sy singa mavesatra loatra tao anatin’ilay chips ny vatana, araka ny fanazavana. Misy ilay singa antsoina hoe « capsaïcine » ity chips ity, izay manome ilay tsiro mandoro aminy ka niteraka izao fahafatesany izao. Etsy ankilany dia voalaza fa manana olana amin’ny fo ity tovolahy ity. Ankoatra azy, ny septambra 2023 ihany koa dia nisy olona iray hafa maty noho ny fanaovana fanamby amin’ny fihinanana chips ity tany amin’ity firenena ity ihany.

Laisser un commentaire