SportTatitra

Nibata fandresena i Jack Miller

Taorian’ny ny fandresena tany Assen tamin’ny taranja MotoGP tamin’ny alahady, nampitsahatra ny kihana noho ny fivoarany vetivety tamin’ity sehatra ity i Jack Miller (Ducati). Tafiditra mivantana tamin’ny MotoGP mantsy izy taorian’ny nilalaovany tao amin’ny Moto3, izany hoe tsy nandalo ny Moto2 akory. Nanome valin-kafatra i Miller ho an’ireo izay nanala baraka azy noho ny hafanam-pony sy ny hetahetany. I Francesco Bagnaia (Ducati) no tafiditra faharoa. Nanaraka azy teo i Franco Morbidelli (Yamaha). I Francesco Bagnaia izao no mitarika amin’ny fiadiana ho tompondaka erantany (isa 66). Faharoa i Fabio Quartararo (Yamaha, isa 64). Fahatelo i Maverick Viñales (Yamaha, isa 50).

Laisser un commentaire