Dépêches

Lavo ny jiolahy rain-dahiny any Mandritsara

5 May, 07h45. Lavon’ny balan’ny zandary i Dezifôlaka, jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana any Mandritsara. Tompon’antoka tamin’ity fanafihana tao Belefitra, kaominina Tsarajimoko izy ary nahafaty olona tao androany 5 Aprily teo. Mbola izy ihany koa no nanafika tao Andranonahoatra – Maroandriana, kaominina Antanandava tamin’ny 11 Aprily. Niaiky ny helony izy rehefa tratra, ary nasaina nanoro ny namany nefa nitsoaka ihany, ka niafara tamin’ny fitifirana azy.

Laisser un commentaire