Mpanondrana volamena naiditra am-ponja vonjimaika
05 May, 09h00. Manoloana ny tsy fampodiana vola vahiny an-tanindrazana vokatry ny fanondranana volamena dia nametra-pitoriana ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Marihina fa tompona orinasa lehibe 3 no voakasik’izany fampidirana am-ponja voninjimaika izany. Izay no valin’ny fitsarana voalohany natrehan’ireo mpanondrana volamena 3 omaly 4 Mey. Mitentina 55 534 003,61 Dolara na 209 548 121 853,4 Ariary ny vola tokony averin’ireo. Marihina fa anisan’ny orinasa lehibe indrindra amin’ny fanondranana volamena ireo nandalo fitsarana voalohany ireo. Orinasa maro no efa nametrahana fitoriana ary 3 no efa nandalo fitsatana. Eo am-panohizana ny fanafihadiana ny fitsarana ary manohy ihany koa ny fijerena akaiky ireo fitoriana hafa. Mametraka hatrany ny fitokisany amin’ny PAC ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola ho an’ireo fitoriana manaraka efa tafapetraka eny amin’ny Fitsarana.
