Toetr’andro : Mbola tsy tapitra ny vanim-potoan’ny rivo-doza 2022-2023
Dépêche 15 mai, 12h, Mbola mitohy ihany ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny rivo-doza ka ao anatin’izany dia ahitana rivo-doza niforona indray ao amin’ny Ranomasimbe Indianina amin’izao fotoana izao. Efa nahazo anarana izy io izay nampitondraina ny anarana hoe « Fabien ». Any amin’ny 3 000 km any atsinanan’ny Nosy no misy azy amin’izao fotoana izao ary mizotra mianandrefana ny lalany. Ahiana hiditra eto Madagasikara ny faran’ity volana ity izany rivo-doza ity. Araka ny fanambaran’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro dia heverina ho isan’ireo rivo-doza mahery vaika ihany koa izy ity. Samia mailo sy miomana avokoa araka izany.
