Dépêches

Fialam-boly : Hisy ny fetiben’ny « selfie » ao amin’ny Kianjan’ny Kanto

Dépêche 15 mai, 11h, Mikarakara ny hetsika « piousary » ny Ideamada izay hotanterahina ny 10 jona izao ao amin’ny Kianjan’ny Kanto. Fotoana iray lehibe natokana ho an’ireo mpankafy maka sary ny tenany na ny « selfie » izany hetsika izany. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanentanana ny tanora izay te hampiseho ny maha izy azy tsirairay tsy misy mpitsara ivelany. Azon’ireo tanora araka izany ny maka sary amin’ireo toerana maro amin’ny karazany samihafa hatsangana mandritra ny hetsika. Ankoatra izany rehetra izany dia amin’ny maha hetsika ho an’ny tanora azy dia maro ireo mpanakanto hankafizin’ny tanora no ho hita ao mandritra io andro io.

Laisser un commentaire