RN4: Telo no maty ary maro no naratra
17 Desambra, 09h00. Fiara lehibe mpitatitr’entana iray avy any Ambanja nitondra lavanily nandona trano teto Ambondromamy RN4 ny 16/12/2021. Telo no fantatra fa maty hatreto, misy koa ny naratra, izay mbola tsaboina ao amin’ny Clinique Saint Georges eto Ambondromamy.
