Dépêches

Fanatanjahantena : Norombahin’i Frédéric Rabekoto sy i Mick Ratrimoarinosy ny Rallye Motul

Dépêche 15 mai, 13h, Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny alahady teo ny andiany fahaefatra tamin’ny Rallye Motul, ao anatin’ny fiadiana ho tompndakan’i Madagasikara amin’ny taranja Rallye. Norombahin’i Frédéric Rabekoto sy i Mick Ratrimoarinosy ny laharana voalohany tamn’izany. Ireto mpilalao ireto izay samy nivoatra tao amin’ny Klioba ASACM avokoa. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Mathieu sy Andry Tahina (Subaru) ary fahatelo i Aro Kiady sy Fanja (Subaru). Tsy ny rallye irery ihany anefa no nameno iny faran’ny herinandro iny fa teo ihany koa ny taranja hafa. Nibata ny fandresena tamin’ny SSV i Yan (SRK) sy Willy avy amin’ny ASA TANA ka i Jacques sy Sylvie no teo amin’ny laharana faharoa. Teo amin’ny sokajy T2 kosa, Freddy sy Dis no tonga hatramin’ny farany ka nibata ny fandresena avy hatrany.

Laisser un commentaire