SocialTsidika

Antsirabe : Nahazo fampitaovana iadiana amin’ny Covid-19 ny Clinique Ave Maria

Andron’ny fifanomezan-tanana izao, ary tsy ny fitondrana irery no tompon’andraikitra amin’ny fandraisan-tanana ireo marary satria ady hiraisana ity. Isan’ny manampy betsaka amin’ny fandraisana marary ireo sampan’ny pahasalamana eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanolotra fitaovana ho an’ny Clinique Ave Maria ny filoham-pirenena nandritra ny diany tao Antsirabe ny talata 4 aprily 2021. Afaka mandray marary 120 ity toeram-pitsaboana ity, ary tantan’ny masera “Franciscaines missionnaires de Marie” izay mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 ao Antsirabe. Anisan’ny fitaovana natolotry ny filoha ho azy ireo ny fanafody isan-karazany sy fitaovam-pitsaboana ary ny “concentrateurs d’oxygène” miisa 10. Nahazo ny tohan’aina ihany koa ireo marary, toy ny bodofotsy sy fanafody ary fanampi-tsakafo manome tanjaka azy ireo. Nankasitraka ireo masera ao amin’ny toerampitsaboana Ave Maria ny filoham-pirenena noho ny fifanomezan-tanana sy firaisankina nasehon’izy ireo manoloana ny ady amin’ity valanaretina ity. Hisitraka tambinkarama manokana tahaka ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra mandray an-tanana ny fitsaboana ny Covid-19 ihany koa ireo mpitsabo sy mpiasa rehetra ao amin’ity clinique ity, na hatramin’ny mpanadio trano aza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire