PolitiqueTsidika

Raharaha « conteneur » very : Miala andraikitra ny avy eo amin’ny fadin-tseranana

Manoloana ny halatra conteneur iray nolazain’ny Office Pharmaceutique Malgache (OPHAM) tao amin’ny seranan-tsambo Toamasina, manambara ny fadin-tseranana (douanes) fa miala andraikitra tanteraka izy ireo.

Nomarihan’ny avy ao amin’ny fadin-tseranana fa tsy very tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina araka ny voalazan’ny OPHAM ity conteneur very ity. « Tsy ho afaka navoaka ny seranana mihintsy ity entana ity raha tsy ho nahazo taratasy ara-dalàna famohanana izany » hoy ny loharanom-baovao iray avy eo amin’ny fadintseranana. Ary notsindrian’izy ireo ihany koa fa vantany vao mivoaka ny fadin-tseranana ny conteneur iray dia tsy eo andraikitr’izy ireo intsony ny fandehanan’ny conteneur.

Mahavarina ny maro tokoa amin’izao fotoana ny nahanjavonan’izany conteneur iray lehibe izany. Maro ireo fanehoan-kevitra mandeha eny amin’ny tambanjotran-tserasera, ao ny milaza fa « magie-magie » no natao ka tsy hita ilay conteneur ; ao ny milaza fa « halatra manara-penitra ity natao ity ka tsy nahitana porofo na iray aza ». Raha ampatsiahivina moa, ny Alatsinainy 09 Aogositra 2021 teo no namoaka fanambarana ny OPHAM fa very tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny 05 Aogositra tami’ny dimy ora maraina ny conteneur iray ahitana baoritra fanafody miisa 1 360.

Eo ampiandrasana ny tohin’ity raharaha fahaverezana conteneur ity, mbola miantso ny rehetra hatrany ny biraon’ny OPHAM amin’izay olona mety manana vaovao hanampy amin’ny fitadiavana ireo fanafody voalaza fa nisy nangalatra tao amin’ny seranana ireo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire