“Sarobidy ny fahasalamana”, manana boky maro ho an’ny mpitsabo ny Fivarotam-boky Sequoia
Mbola mpianatra na efa mpitsabo, ilaina hatrany ny mahafantatra ny sehatra tiana hidirana sy ny mamerina mahafantatra ihany koa io sehatra io. Manana boky isan-karazany ho an’ny fahasalamana ny fivarotam-boky Sequoia izay hita eny Annjanahary.
Tsy azo atao tsinontsinona izany fahasalamam-bahoaka izany. Io no miantoka ny fiainana ka tsy maintsy halalinina hatrany ho an’ireo manam-pahaizana amin’izany. Fahasalaman’ny zaza, areti-mifindra, fahasalaman’ny saina, fahasalaman’ny fo sy ny maro hafa, azo jifaina ao amin’ity toerana ity avokoa izany rehetra izany.
Azo atao ny mijery izany amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera Facebook, ary azo atao ihany koa ny manatona eny an-toerana mijery ireo boky ireo. Eny Anjanahary eny ny fivarotam-boky Sequoia izay manana boky ho an’ny sehatra isan-karazany.
Miora Raharisolo
