Ambohimangakely: Tafapetraka ireo jiro nozaraina tao Betsizaraina
Tafapetraka tamin’ny toerany ary efa manazava ny tanàna ao amin’ny faritra Ambatomandeha sy Alatsinainy, ao amin’ny fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely ireo jiro natolotry ny kaominina, hanazava ny tanàna ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo.
« Faly sy ravo ny mponina nahazo hazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro izao. Ny fanentanana atao ho an’ny mponina dia fananana iombonana izy ireny ka anjaran’ny rehetra ny mitandro sy manara-maso azy » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Hisaorana lehibe hatrany ny kaominina fa tsy mbola nisy tahaka izao tety an-toerana. Mazava ny tanàna ankehitriny ka hivoatra tahaka izay ihany koa ny fomba fijery sy ny zava-misy. Ka hampandroso ny tanàna hatrany » hoy i Nambinina, mponina ao Betsizaraina.
Manomboka amin’ny kely indrindra ny fandrosoana. Tahaka izany izao misy ao amin’ny fokontany Betsizaraina izao. Hirarian’ireo mponina moa ny itohizan’ny asa sosialy hatrany ho fampandrosoana ny eny ifotony.
Manitra R.
