SocialTsidika

Digitalisation : Tsy mifanaraka amin’ny nambara ny zava-nisy.

Ho vahaolana amin’ny fikorotanana mety hisy mandritra ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ny fidirana anatin’ny hairaha na ny “digitalisation”. Tanjona tamin’izany indrindra ny hanamorana ny fizarana izany. Nanomboka ny 22 martsa ny fizarana ny vatsim-pianarana teny anivon’ny anjerimanontolo raha ny teto Antananarivo manokana. Fakiolte roa no indray nizarana izany izay efa nampiharana ilay digitalisation ka ny paositra Malagasy no mpiara-miasa voalohany tamin’izany. Mpianatra marobe araka izany no nilahatra teny Ankatso satria ny taona voalohany hatramin’ny mpianatra ho dokotera rehetra ao anatin’izany Fakiolte anakiroa izany no indray nilahatra. Ny Sabotsy lasa teo anefa nanambara ny filoham-pirenena mikasika ny tsy famoriana olona mihoatra ny 200. Voahaja ve ny fepetra? Sa natao ho an’iza ny fepetra ? Vao maika ihany koa aza ela ny fizarana ny vatsim-pianarana ka nimenomenona ny ankamaroan’ny mpianatra. Tsy nahomby amin’ny fanamorana ny fizarana ary ve ity paik’ady ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire