SocialTatitra

Coronavirus : Hiverina hampiasa vaksiny AstraZeneca ny firenena maro, mihiboka kosa i France.

Taorian’ny fanambarana nahafa-po nataon’ny masoivoho mpaninjara fanafody (EMA), tapa-kevitra ny hiverina hampiasa ny vaksiny AstraZeneca indray i Italie, France, Allemagne manomboka ny zoma 19 martsa. Etsy ankilany, mivonona hamerina ny fihibohana amin’ny ampahatelon’ny mponina ao aminy i France, anisan’izany i Paris. Efa misedra onja fahatelon’ny valanretina coronavirus i France amin’izao fotoana hoy ny governemanta frantsay ny harivan’ny alakamisy 18 martsa lasa teo. Mananika ny 100 000 ireo maty ao an-toerana amin’izao fotoana. Olona manodidina ny 20 tapitrisa no vokasiky ny fihibohana manomboka ny zoma 19 martsa. Misokatra kosa ny toeram-pivarotana sy ny toeram-pianarana. Mitohy ihany koa ny fanaovam-baksiny ao an-toerana toy ny amin’ny firenena sasany.

Laisser un commentaire