SocialTsidika

Nodinihina ireo hetsika rehetra natao mahakasika ny covid-19 teto Madagasikara

Notanterahana nanomboka ny 28 jolay lasa teo hatramin’ny androany izao ny atrik’asa « Revue intra-action covid-19 » izay karakarain’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba hifampizarana traikefa sy hijerena ny zava-bita sy hijerena ireo lesoka hahafahana manarina izany. « Handinihana ihany koa ireo fomba entina manatsara ireo paik’ady izay efa napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny ady atao amin’ny valanaretina covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

Tsara ny manamarika fa ireo sokajin’olona rehetra izay nandray anjara nandritra ny ady tamin’ny coronavirus no tonga manatrika izao atrikasa izao. « Na dia nahitana fihenana ary ny antotan’isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, tokony tsy hitsahatra ny hikaroka ny vahaolana isika vahaolana ahafahana manatsara hatrany ireo paik’ady rehetra napetraka izay natao manaraka ny fivoaran’ny valanaretina teto Madagasikara ary nanampy tamin’ny fifehezana ny fihanaky ny aretina » hoy i Rakotovao Jean Louis Hanitrala, Ministry ny fahasalamam-bahoaka.

« Ilaina ny hevitry ny olona rehetra samia tanindrazana iombonana ity ary fahavalo iraisana ny coronavirus » hoy ny mpanatrika iray tamin’ity atrik’asa ity. Na izany aza anefa, isika rehetra ihany koa dia mahita ny lesoka teny amin’ny fiarahamonina teny, anjarantsika ny fanentana ny namantsika mba hiara-hientana amin’ny fisorohana ny aretina ka hampanaja ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire