ActualitésTatitra

France : Nampanantena ny marina sy ny mangarahara makasika ny andrana nokleary ny filoha Macron

Niaiky ny trosan’ny frantsay amin’ireo faritra « outre-mer » ny filoha frantsay ny andro faha efatry ny fitsidiany ny « Polynésie française » tao Papeete. Nampanatena ny mangarahara mahakasika ny andrana nokleary natao tamin’ireo fikambanan’ny nosy hatramin’ny 1996 izy. Tao aorian’ny andrana 17 tao Sahara no nanapa-kevitra nifindra tao amin’ny « Polynésie française » ny frantsay izay nanaovany andrana 193 tao anatin’ny 30 taona. »Ekeko ary tsoriko aminareo ny marina » hoy izy ny talata teo tamin’ireo tompon’andraikitra any Polynésie. Anton’ny honitra tokony omen’ny frantsay ny fiantranon’ireto farany ny andrana indrindra ny taona 1966 sy 1974 izay azo lazaina tsy nangarahara. Nilaza izy fa manana andraikitra amin’ireo « Polynésie française » noho ny andrana nokleary tao amin’ny Pacifique ary nanamafy fa tokony hatsaraina ny honitra omena ireo niaram-boina tamin’izany. Tsy naneho ny fialan-tsiny tamin’ireo niaram-boina ny tenany izay efa nandrasan’ny fikambanan’ireo niharam-boina tamin’izany.

Laisser un commentaire