SocialTatitra

Gaza : Miakatra ny isan’ireo matin’ny coronavirus

Tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny valan’aretina Covid-19 i Gaza amin’izao. Betsaka ireo maty ary nitombo be ny marary. Ny mponina mihitsy no milatsaka an-tsehatra mandoaka amin’ny tany izay ho fasan’ireto matin’ny aretina ao amin’ny « cimetière » any an-toerana. Isan’ireo manana velaran-tany midadasika i Gaza saingy latsaky ny 2% amin’ireo mponina ihany no nahazo vaksiny hatreto. Efa mahatratra hatramin’ny 38 ny maty isan’andro ka tsy alevina na andro na alina. Efa feno ny toerana nandraisana ireo marary ary tena anaty krizy ara-pahasalamana tanteraka ny firenena hoy Mohammed Abou Salima izay Talen’ny Hopitaly Al-Shifa. Efa nisy ihany koa ny fanampiana nomen’ny mpamokatra oxygène tany ivelany saingy betsaka loatra ny marary. Tsy mbola misy anefa ny fihibohana tanteraka amin’izao any an-toerana.

Laisser un commentaire