ActualitésTatitra

France : Mitady mpanandrana kidoro ny orinasa Emmma

« Job de rêve » hoy ny orinasa mpamokatra kidoro Emma ity asa hitadiavany olona ity. Olona atao hoe « Expert du sommeil » no tadiavina amin’izany, ary tsotra dia tsotra ny asa ataony.Manao ny andrana rehetra ny vokatra avoakan’ny orinasa mandritra ny 100 andro io olona voafidy io. Manao tatitra ny fahatsapany ny vokatra am-pahatsorana izy aorian’izany ary ho karamaina 1 600 euros (7 200 000 Ar) isam-bolana.Ao amin’ny mailaka na Instagram kosa no handraisana ny firotsahana ho mpiasa. Arahina #emmajobdereve izy ao amin’ny Instagram ary ampiarahana amin’ny horonantsary maneho ny maha « Expert du sommeil ».Olona 18 taona no ho mihoatra no mahazo mirotsaka amin’ny asa ary monina ao France. Ny 18 martsa izao kosa no fe-potoana farany hirotsahana.

Laisser un commentaire